1 of 87

MINISTERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

TOROLALANA ANKAPOBENY MAHAKASIKA NY FIOMPIANA TRONDRO

2 of 87

A- ANKAPOBENY

3 of 87

ZAVA-MISY

  • Manoloana ny fitombon’ny isan’ny mponina, dia tsy maintsy miatrika ny fanamby maharitra amin’ny famelomana ny mponina ny firenena. Ankehitriny dia manodidina ny 142 000 t ny fitambaran’ny vokatry azo avy amin’ny jono sy ny fampamokarana ny atirano ka 7kg/taona ny lain’olona iray eto amintsika;
  • Raha te hanatratra ny 11kg/olona/taona izay sahala any Afrika isika dia mila mamokatra 307 000 t isan-taona ka tokony hamafisina ny fampamokarana ny atirano indrindra fa ny fiompiana trondro;
  • Mbola malalaka ny toerana azo trandrahina ho amin’ny fampamokarana ny atirano ary misy ny fiaraha-miasa atolotry ny manam-pahefana eny ifotony hanampiana ireo mpisehatra amin’ny fanamboarana dobo, toy ny « pelle mécanique », ... Izay eny anivon’ny Région.
  • Na izany dia ilaina ihany koa ny fitantanana maharitra ny rano

4 of 87

B- KARAZANA FIOMPIANA TRONDRO

5 of 87

IREO KARAZANA TOERANA HIOMPIANA TRONDRO

Rary vato « Parpaing »

Vita @ labasy

Mitsingevana

Biriky tanimanga

Dobo tany

Tanimbary

6 of 87

I- NY FIOMPIANA ANATY DOBO

7 of 87

FISAFIDIANANA NY TOERANA

I- NY FIOMPIANA ANATY DOBO

  • Tsy lavitra tanàna,
  • Tsy saro-dàlana,
  • Talaky masoandro,
  • Tsy azon’ny tondra-drano,
  • Toerana malalaka somary misolampy malefaka,
  • Misy rano betsaka azo kirakiraina,
  • Afaka ivezivezena…

8 of 87

NY RANO – TOETRAN’NY TANY

I- NY FIOMPIANA ANATY DOBO

  • Fikorinan’ny rano manodidina ny 05 @ 10 litatra/segaondra,
  • Tany tsy fasihana fa afaka mitazona rano tsara.

9 of 87

NY FISEDRANA NY TANY

I- NY FIOMPIANA ANATY DOBO

Source : Manuel de bonne pratique.GIZ. 2023

10 of 87

    • Olona hiasa
    • Tady lava
    • Metatra sy tsatoka hazo
    • Famofoka na Marteau
    • Angady sy Lapelle
    • Gony
    • Barika
    • Borety…

Fanamboarana : fitaovana fototra ilaina

I- NY FIOMPIANA ANATY DOBO

11 of 87

    • Fantsona fampidiran-drano
    • Fantsona fanarian-drano
    • Fantsona aro-riaka (trop plein)

Fanamarihana : tsara kokoa raha asiana fiaro makarakara ireo rehetra ireo hiarovana @ zavatra maro hafa mety ho entin’ny rano « na biby na zavatra hafa »

Ireo tsara ho hita @ DOBO iray

I- NY FIOMPIANA ANATY DOBO

12 of 87

RAHA DOBO VAOVAO

  • Famendrahana sokay (100g/m²)
  • Fijerena ny fahafahan’ny dobo mitan-drano
  • Fanamasahana ny dobo

Ny fomba fanomanana ny DOBO

I- NY FIOMPIANA ANATY DOBO

RAHA DOBO EFA NIASA

  • Fanamainana
  • Famadihana ny tany
  • Famendrahana sokay (100-200g/m²)
  • Fampidirana rano
  • Fanamasahana ny dobo

13 of 87

Ny rafitry ny DOBO

I- NY FIOMPIANA ANATY DOBO

14 of 87

Tain’akoho atao anaty gony

Compost mololo sy tain’omby

Compost azo avy @ fiompiana vorona

Ireo karazana ZEZIKA

I- NY FIOMPIANA ANATY DOBO

15 of 87

II- NY FIOMPIANA ANATY FEFY MITSINGEVANA

16 of 87

FISAFIDIANANA TOERANA

II- NY FIOMPIANA ANATY FEFY MITSINGEVANA

  • Tsy lavitra tanàna,
  • Tsy saro-dàlana ary afaka ivezivezena,
  • Talaky masoandro,
  • Tsy talaky rivotra mahery (Cyclone, forte courant d’eau),
  • Rano manana halalina fara faha-keliny 2m,

17 of 87

HANAM-PAMOKARANA

II- NY FIOMPIANA ANATY FEFY MITSINGEVANA

    • Zanatrondro : zanatrondro lahy ny tilapia @ karazany Oreochromis niloticus
    • Sakafo : sakafo fanatavezana mitsingevana izay manana taha @ proteina :

45% hoan’ny zanatrondro manana lanja eo @ 20g

35% hoan’ny zanatrondro manana lanja eo anelanelan’ny 20 sy 150g ary 30% hoan’ny zanatrondro manana lanja eo mihoatra ny 150g

    • Harato tsara kalitao: mason-karato mifanaraka @ haben’ny trondro ompiana

18 of 87

TEKNIKA FANAMBOARANA FEFY MITSINGEVANA

II- NY FIOMPIANA ANATY FEFY MITSINGEVANA

    • Halalin’ny toerana hametrahana ny fefy : Fara-faha-keliny 2m amin’ny fotoana maintany (Faritra farany marivo);
    • Halalin’ny harato : Miankina amin’ny halalin’ny rano, ny fanambanin’ny harato dia tokony 50 sm ambonin’ny fanambanin’ny rano;
    • Fitaovana ampiasaina : Vy, vy tsy harafesina, vy galva, fantsona PEHD, hazo tsy mora lo, flotteur ( barika manga na mavo, volobe … afaka mitsingevana), harato.

19 of 87

MIKASIKA NY HARATO

II- NY FIOMPIANA ANATY FEFY MITSINGEVANA

HARATO TSARA KALITAO MASON-KARATO MIFANARAKA @ HABE NY TRONDRO TILAPIA OMPIANA AO

Mason-karato 3x5mm

Trondro 1 à 20g

Mason-karato 10x10mm

Trondro > à 20g

20 of 87

FITANTANANA NY FIOMPIANA

II- NY FIOMPIANA ANATY FEFY MITSINGEVANA

  • Faharetany fiompiana: 6 volana sy tapany mandritra ny fotoana (nanomboka ny Septembre/Octobre et Avril/Mai)
  • Hakitroka ny trondro atao anaty cage : 120 zanatrondro milanja 1g farafahakeliny / m3
  • Taham-pahavelomana: > 85%
  • Lanja salatsalany trondro @fihafarany fiompiana : 432 g
  • Taham-piverenan’ny sakafo : < 1,50 (1,35 nandritra ny fanandramana)
  • Vokatra : 981 kg isakin’ny cage par cycle
  • Taham-pamokarana : 51 kg / m3 / cycle

21 of 87

III- FIOMPIANA TRONDRO AN-TANIMBARY

22 of 87

FIFIDIANANA NY TANIMBARY

III- FIOMPIANA TRONDRO AN-TANIMBARY

  • Toerana mifanaraka @ fiompiana trondro :

- Misy rano azo fehezina eo anelanelan’ny volana novambra sy jona

  • Raha an-dohasaha dia ny tanimbary eny an-tehezany no tsara: lonaka ny tany, lavitra ny tondra-drano
  • Tsy lavitra ny toeram-ponenana mba hanamora ny fanarahamaso sy ny fikarakarana
  • Midadasika sy azon’andro
  • Mora ivezivezena : hampidirana ireo masomboly sy fitaovana enti-mamokatra, hamoahana ny vokatra
  • Toerana tokony ialana :

- eo iva toerana (mety ho safotrin’ny rano ),

- ny tohatohatra ( sady tsy lonaka ny tany no kely ka sarotra fehezina ny rano)

23 of 87

FANAJARIANA NY TANIMBARY OMPIANA TRONDRO

III- FIOMPIANA TRONDRO AN-TANIMBARY

  • Fotoana fanajariana : eo anelanelan'ny fampiakarana ny vokatra sy ny taom-pambolena manaraka;
  • Ny tanimbary tsirairay dia tokony haleontena ara-drano : fidirana sy fivoahan-drano;
  • Hamafisina ny valam-parihy : hampakarina sahabo 50 sm mba ialana amin'ny tondran-drano sy ny fahaverezan'ny trondro ary mba ahafahana mampiakatra ny rano aorian'ny fijinjana raha tiana mbola hotohizana ny fiompiana na hazonina ny trondro;
  • Fanamboarana ny valam-parihy : atao mifanongoa ny bainga ka lemana sy afatratra tsara.

24 of 87

FANAJARIANA NY TANIMBARY OMPIANA TRONDRO

III- FIOMPIANA TRONDRO AN-TANIMBARY

  • Mandavaka dobo fierena eny amin'ny faritra iva eo amin'ny tanimbary
  • Haben’ny dobo fieren’ny trondro :

* Tanimbary latsaky ny 5 ara : 5% ny velaran’ny dobo no atao dobo fierena ka ny :

- Sakany : 1 m

- Halaliny : 0,60 sm

* Tanimbary mihoatra ny 5 ara : 10%-n'ny velarana no atao dobo fierena ka ny

- Sakany : 2 m

- Halaliny : 0,80 sm

25 of 87

FANAJARIANA NY TANIMBARY OMPIANA TRONDRO

III- FIOMPIANA TRONDRO AN-TANIMBARY

  • Asiana karakara vy ny fidirana sy ny famoahan-drano hiarovana amin'ny fahavalo sy ny fidiran'ny trondro hafa ary ny fahaverezan'ny trondro ompiana

  • Vita ketsa ny tanimbary dia ampidirana ny rano

  • Tazonina eo amin'ny 1/5 n'ny tahom-bary ny haavon'ny rano
      • ohatra tahom-bary :

50 sm => haavon'ny rano 10 sm

26 of 87

FANAMASAHANA RANO

III- FIOMPIANA TRONDRO AN-TANIMBARY

  • Mampiasa zezika organika :
    • zezika azo avy amin'ny biby (omby,kisoa,vorona,bitro)
    • aparitaka amin'ny fanambanin'ny dobo fierena ny zezika ary atao mitovy tantana tsara
    • asaina marivo ary atao bainga madinika
    • fafazana ranon-jezika 3 na 4 siny mahalany rano 15l/ara isan-kerinandro ny dobo fierena

-Mampiasa valan-jezika :

    • haben’ny tana : 2 – 3 mandingana
    • atao eny amin'ny zoron-dobo fierena amin'ny faritra iva
    • fotoana famenoana zezika: alohan’ny fampidiran-drano

  • Mampiasa zezika mineraly :
    • NPK na DAP mba hamokarana ny sakafo voajanahary
    • Fandrarahana sokay : mampiasa Dolomie raha tsy misy sokay fampiasa amin'ny voly mba hanatsara ny fiasan'ny zezika sy ahazoana siakan'ny rano antonony ( pH eo anelanelan’ny 7 sy 8)

27 of 87

Fampidirana ny zana-trondro eny an-tanimbary

III- FIOMPIANA TRONDRO AN-TANIMBARY

  • Fotoana : 15 – 20 andro aorian'ny fanetsana rehefa hita fa madio ny rano
  • Habetsahan’ny zanatrondro harotsaka anaty tanimbary : 25 zana-trondro / ara raha fanamasahana fotsiny
  • 50 zanatrondro / ara : raha fanamasahana + sakafo fanampiny
  • Fitondrana zanatrondro:
    • fotoana : vao maraina
    • fatrany: 100 zana-trondro/rano 10 litatra
    • Soloina isaky ny antsasak’adiny ny rano
  • fandrotsahana zanatrondro : apetraka 20 –30 mn ao an-tanimbary ny siny misy ny zana-trondro mba hampitovy ny hafanan’ny rano roa tonta

Atongilana ny siny ary avela hivoaka ho azy ny zana-trondro.

28 of 87

ZANATRONDRO OMPIANA

III- FIOMPIANA TRONDRO AN-TANIMBARY

  • REFESINA NY TANIM-BARY VOAVOATRA
  • Tsara raha kajian’ny mpiompy mialoha ny famandrihana ireo zanatrondro ilainy @ ireo tanimbary voavoatra sy voaomana
  • Kely ny sanda fahaveloman’ireo zana-trondro noho ireo fahavalo sy fiovaovana tampoky ny mari-panan’ny rano @ tanimbary tsy misy fanamboarana

  • ISAN’NY ZANATRONDRO
  • Miankina @ haben’ny tanimbary ny habetsaky ny zanatrondro harotsaka: 25 isa isaky ny 1ara.
  • Azo ampitomboina hatramin’ny 50 isa raha vonona hamahana isan’andro ny mpiompy,
  • Raha tanimbary 12 ara (40 m X 30 m) voavoatra sy lonaka ary misy rano arada-lana dia 12x50=600 zanatrondro eo no harotsaka, mihena ho 300 raha tsy itondrana sakafo fanampiny isan’andro (12x25)
  • Azo atao tsara ny miompy karpa na tilapia na koa mampiaraka azy araka ny safidin’ny mpiompy, ny haavon’ny toerana ary ny fisian’ny zan-trondro fa mila arahina foana ny toromarika ara-teknika rehetra

29 of 87

FOTOANA FIOTAZANA

III- FIOMPIANA TRONDRO AN-TANIMBARY

  • Amin'ny ankapobeny, saika miaraka amin'ny fampiakarana ny vokatra vary ny fiotazana ny trondro izany hoe efatra na dimy volana taorian'ny fampidirana azy.
  • fiotazana azy :
    • ahena tsikelikely ny rano ao an-tanimbary herinandro mialoha ny fiotazana
    • ny trondro amin'izay fotoana izay dia lasa miafina ao anaty dobo fieren'ny trondro
    • hamarinina tsara fa tsy misy tavela any anelanelam-bary izy
    • ao anaty dobo fiereny izy no hotazana

TRONDRO VOKATRA NANDRITRY NY FIOMPIANA SY FAMBOLENA

  • 1 na 2 kg/ara ao anaty 4 volana raha tsy nanampy akora hafa ka tsara karakara ny tahalaka sy ny dobo fierena dia 60% eo ny sandam-pahaveloman’ny trondro, izany hoe @ zana-trondro 25/ara ,
  • 3 kg/ara ao anaty 4 volana amin’ny tanimbary namboarina sy nomasahana, izany hoe @25 narotsaka dia ahazoana 15 milanja 200g tsirairay, (60% taha-pahavelomana),(15x200=3000 gr)
  • 6kg/ara iao anaty 4 volana zany hoe trondro 30 milanja 200g tsirairay amin’ny 50 nomasahana sy nofahanana isanandro 60 % ( 30x 200= 6 000 gr) 200 -300 gr:12 sm ny trondro, refy

30 of 87

IV- FIOMPIANA IVELAN’NY TANY« HORS SOL »

31 of 87

NY TOMBONY MANOKANA

IV- FIOMPIANA TRONDRO IVELAN’NY TANY« HORS SOL »

  • Tsy mila toerana malalaka
  • Afaka hatao amin’izay toerana tiana hanaovana azy mba hialana @ halatra.
  • Tsy mandany rano betsaka

32 of 87

IREO KARAZANA DOBO AZO AMPIASAINA

IV- FIOMPIANA TRONDRO IVELAN’NY TANY

  • Labasy (en bache) @ endriny maro samihafa
  • Vita @ alalan’ny Simenitra (en ciment)
  • Vita @ plastika (Bac en plastiques )

33 of 87

IREO FOMBA FITANTANANA NY RANO

IV- FIOMPIANA TRONDRO IVELAN’NY TANY

  • Rano azo ampiasaina :
    • Rano nosintomina avy @ renirano,matsabory …
    • Rano nalaina avy @ lava-drano (puits, forage…)
    • Rano fampiasaina ao an-tokantrano ( JIRAMA), tsy maintsy atao aloha ny fikarakarana ny rano hanesorana ny Chlore ao anaty.

  • Mikoriana tsy an-kijanona ny rano (Circuit ouvert); izany hoe misy ny rano miditra ary misy ihany koa ny rano mivoaka;
  • Mandalo fanadiovana rano (Circuit fermé), izany hoe, miodinkodina eo ihany ilay rano ary ampandalovina anaty filtre UV na biofiltre…; dia averina miditra ao anaty dobo fiompiana indray ilay rano;
  • Soloina na/sy diovina ny rano ka ora maromaro na andro vitsivitsy (Circuits semi ouvert na semi fermé) dia azo ampidirina ao anaty dobo fiompiana indray.

34 of 87

FEPETRA TOKONY ARAHINA MBA HAMPAHOMBY NY FIOMPIANA

IV- FIOMPIANA TRONDRO IVELAN’NY TANY

  • Zanatrondro : zanatrondro tilapia Oreochromis niloticus (lahy) manodidina ny 30 ka hatramin’ny 45 isaky ny 1m3
  • Sakafo : sakafo fanatavezana mitsingevana izay manana taha @ proteina :
    • 45% ho an’ny zanatrondro manana lanja eo @ 20g
    • 35% ho an’ny zanatrondro manana lanja eo anelanelan’ny 20 sy 150g ary
    • 30% ho an’ny zanatrondro manana lanja eo mihoatra ny 150g
  • Manana angovo (source d’énergies): ahafahana mampiasa fitaovana (aérateur na surpresseur) hanome sy hanavao hatrany ny oksizena ao anaty rano.

35 of 87

D.SAKAFONTRONDRO

36 of 87

SINGA 05 LEHIBE

D- NY SAKAFON-TRONDRO

Hena/Nofo

Taolana, rà

Hery

Misy asany any amin’ny taova anaty

Mineraly

Vitamina

Gliosida

Lipida

Proteina

37 of 87

FILANA ARA-TSAKAFON’NY TRONDRO

D- NY SAKAFON-TRONDRO

Misy ny tahan’ny PROTEINA ilaina, ary tsara ananan’ny sakafon-trondro na namboarina manokana io, na vidina efa vita

Karaza-trondro

Habeny

Proteina (%)

Gliosida

Lipida

Tilapia

Zanatrondro

(1-5g)

40 - 45

35 - 40

5-10

Vantony

(5-25g)

35 – 40

Trondro lehibe

30 – 35

38 of 87

MODELY FAMAHANANA

III- NY SAKAFON-TRONDRO

Salandanja

Isany famahanana

+++Ora famahanana

***Fatrany sakafo omena isanandro (%)

]0,5g - 5g]

6

7-9-11-02-04-05

10,0

]5g - 20g]

6

7-9-11-02-04-05

8,00

]20g - 40g]

4

8-11-02-04

4,50

]40g - 60g]

4

8-11-02-04

3,50

]60g - 80g]

4

8-11-02-04

3,25

]80g -100 g]

4

8-11-02-04

3,00

]100g - 120g]

3

8-12-04

2,75

120g no mihoatra

3

8-12-04

2,50

*** Taha fanomezan-tsakafo miohatra amin’ny lanjan’ny trondro ho fahanana (Biomasse)

+++ Tsy atao ambanin-zavatra ny MARIPANAN’NY RANO alohan’ny hanome sakafo

D- NY SAKAFON-TRONDRO

39 of 87

MODELY FAMAHANANA

OHATRA FIKAJIANA AZY

Fikajiana ny sakafo omena isan’andro (Ration/j)

Fatra-tsakafo/andro = Lanjan’ny trondro rehetra x Taham-panomezana sakafo

Lanjan’ny trondro rehetra = Isan’ny trondro rehetra x Salan-danja

Isa = 1000 zanatrondro , Pm = 100g,

Taham-panomezana sakafo = 2,75

Fatra-tsakafo/andro = 1000 x 100 x 2,75% = 2 750g na 2,750kg

D- NY SAKAFON-TRONDRO

40 of 87

IREO KARAZANA SAKAFO

Zavamaniry tsy hita maso (Phytoplancton)

Sakafo

Biby kely tsy hita maso (Zooplancton)

Fahazarana ara-tsakafo

Trondro madinika

Biby kely

Kankana

Sakafo

Sakafo

Ambin-tsakafo

Sakafo natoraly

Sakafo namboarina

D- NY SAKAFON-TRONDRO

41 of 87

NY KARAZAN-TSAKAFO MARO HAFA

SAKAFO NATORALY

D- NY SAKAFON-TRONDRO

42 of 87

Zezipahitra (Compost)

Lava-jezika

Zezika tain’ akoho anaty gony

NY KARAZAN-TSAKAFO MARO HAFA

D- NY SAKAFON-TRONDRO

43 of 87

NY KARAZAN-TSAKAFO MARO HAFA

AMBIN-TSAKAFO

D- NY SAKAFON-TRONDRO

44 of 87

NY KARAZAN-TSAKAFO MARO HAFA

NY PROVANDY

Azo atao tokoa ny manamboatra PROVANDY raha misy ireo fangaro ilaina

Ny zavatra ilaina

-Vovo-trondro

-Taim-boanjo

-Mongo (Apombo)

- Maro hafa

-Vovo-katsaka

-Lojy / Soja

-Vovo-mangahazo

 

D- NY SAKAFON-TRONDRO

45 of 87

NY KARAZAN-TSAKAFO MARO HAFA

BIBY KELY – BIBIN-DRANO - sns

D- NY SAKAFON-TRONDRO

46 of 87

NY TOMBONTSOA AZO

  • Mifandanja tsara ireo singa rehetra ao anatin’ny sakafo
  • Mora tehirizina
  • Mora entina
  • Kely ny very eo am-pamahanana

D- NY SAKAFON-TRONDRO

47 of 87

  • Vidin-tsakafo ambany
  • Karazan-javatra eo an-toerana ihany no ampiasaina
  • Fanomezana lanja ny ambin-tsakafo tsy ampiasaina
  • Mampihena kokoa ny fandaniana
  • Tsy miankindoha amin’ny mpamokatra sakafon-trondro

TOMBOTSOA AZO

Maro ireo tombotsoa azo raha ny mpiompy mihitsy no manamboatra ilay sakafon-trondro

D- NY SAKAFON-TRONDRO

48 of 87

OHATRA AZO AMPIASAINA

ZANATRONDRO

TRONDRO VAVENTY

Apombo malemy 9%

Katsaka 2%

Lojy / Soja 11%

Vovo-trondro 70%

Farinina 2%

Mangahazo 5%

CMV 1%

Apombo malemy 28%

Katsaka 24%

Lojy / Soja 17%

Vovo-trondro 12%

Farinina 11%

Mangahazo 7%

CMV 1%

CMV : Complément Minéral Vitaminé

D- NY SAKAFON-TRONDRO

49 of 87

E.TSARA HO FANTATRA

50 of 87

FAMANTARANA NY MAHA-VAVY SY MAHA-LAHY

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

KARPA

TILAPIA

51 of 87

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

KARPA

  • Fampanatodizana anaty happa
  • Fampanatodizana anaty dobo
  • Fampanatodizana anaty baka plastika

52 of 87

IREO ZAVAMANIRY FAMPIASA @ FAMPANATODIZANA KARPA

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

Korofotra na vahan-gony na goelaka

Horom-potsy

Fakana ampanga

Redretra na anjavidy vavy

KARPA

53 of 87

IREO ZAVAMANIRY FAMPIASA @ FAMPANATODIZANA KARPA

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

KARPA

54 of 87

FAMPANATODIZANA ANATY HAPPA

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

KARPA

55 of 87

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

Tsara kokoa mampiasa kakaban roa karazana : ny mitsingevana sy ny milentika

Manamora ny fisamborana ny renintrondro sy ny lahitrondro koa ny fampiasàna happa

KARPA

56 of 87

FAMPANATODIZANA ANATY RANO MAFANAFANA

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

Ny Karpa ompiana anaty mihoatra ny 29°C dia matetika tsy manatody raha tsy tsindromina hormone.

Fampiasana hormone :

Ovaprim 0.5ml/kg (ny trondro vavy ihany)

Glande pituitaire (Ho an'ny renintrondro 1 kg no mihoatra)

Dose: 3mg/kg + 5-10 ml solution saline

Ao amin'ny vodiheliky ny vombontratrany no hanaovana ny tsindrona

KARPA

57 of 87

FAMPANATODIZANA ANATY DOBO

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

Ny dobo fanatodizana dia tokony hanaraka ireto fepetra ireto :

  • Toerana malalaka, velarany manodidina ny 30m² izany hoe 7m x 4m na 6m x 5m
  • Tsy misy zava-maniry ao anatiny

Fanomanana ny dobo fampanatodizana

KARPA

58 of 87

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

  • Tsara fifehezan-drano
  • Halaliny : 40-60 sm
  • Rano madio misy oksizena betsaka no ampiasaina

Mialoha ny fampidiran-drano dia tokony ho maina tanteraka mandritra ny 15 andro ny dobo fampanatodizana

Tsara raha rarahana fasika ny fanambanin’ny dobo hiarovana ny atody tsy ho feno fotaka

Rehefa mampidi-drano dia tokony hisy karakara eo anoloan’ny fantsona

KARPA

59 of 87

NY TOERANA FANATODIZANA

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

Ny toerana famoriana ny atody na fanatodizan’ny trondro dia antsoina hoe kakaban

Apetraka ao anaty dobo fanatodizana izy ireo

Tokony ho 30 sm ambonin’ny fanambanin’ny rano

Ary 20 sm ambanin’ny mari-drano

KARPA

60 of 87

NY FANAMBOARANA KAKABAN

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

Zavatra ilaina dia :

  • Volotsangana
  • Tsiratsira-na vonitra

( fibre de piassava)

  • Tady madinika
  • Vonitra 1kg ho an’ny Kakaban iray
  • Kakaban enina amin’ny 3m

KARPA

61 of 87

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

  • Apetraka amin’ny tsatoka voalaza teo ambony ny kakaban

  • Asiana tsatoka misy baka hitazona azy tsy hiala

  • Andro iray mialoha ny hampanatodizana vao fenoana rano ny dobo fampanatodizana

KARPA

62 of 87

Fomba fampanarahana ny renitrondro

Lanjaina tsirairay ny trondro

Ny trondro lahy no arotsaka voalohany anaty dobo fampanarahana.

Ny trondro vavy indray no arotsaka avy eo.

Isan’ny trondro ampanarahana 1: 2 na 1: 3 arakaraky ny lanjan’ny renitrondro

hakitroka trondro 1kg / m2.

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

TILAPIA

Karazana dobo fampanarahana

63 of 87

Fomba voalohany: raha toa ka misy hapa

  • Raisina tsirairay ny renitrondro vavy
  • sokafana ao anaty koveta efa misy rano ny vavany mba hamoahany ny atodiny na ny zanany.

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

TILAPIA

Atodin-trondro nokotrehiny tao anaty vavany

64 of 87

Fomba faharoa: raha toa ka tsy misy happa �

Tsy esorina ny renitrondro fa alaina amin’ny harato madinika maso ny zana-trondro. Ary avezivezy ao anaty dobo izany.

Mety ho kely ny taha hahazoana atodin-trondro amin’ity fomba iray ity.

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

TILAPIA

65 of 87

FAMPANATODIZANA

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

TILAPIA

Atodin-trondro lonaka

Olitra vao foy tamin’ny atody

Soherina

66 of 87

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

FANAMBOARANA DOBO

    • Olona hiasa
    • Tady lava
    • Metatra sy tsatoka hazo
    • Famofoka na Marteau.
    • Angady na Lapelle
    • Gony efa niasa
    • Barika
    • Borety

FITAOVANA ILAINA

67 of 87

IV-NY TSARA HO FANTATRA

FIOTAZANA NY ATODY / ZANATRONDRO VAO FOY

FITAOVANA ILAINA

  • Epuisette na hoe fisaoka
  • Koveta lehibe handraisana renitrondro
  • Koveta handraisana ny atody
  • Koveta handraisana olitra
  • Koveta handraisana zanatrondro efa foy
  • Karazana sivana ampiasaina amin’ny fanavahana ny haben’ny zana-trondro

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

68 of 87

IV-NY TSARA HO FANTATRA

FANDREFESANA “PARAMETRES NY RANO”

FITAOVANA ILAINA

Oxymètre

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

Thermomètre

69 of 87

IV-NY TSARA HO FANTATRA

FIVAROTANA

FITAOVANA ILAINA

  • Fandanjana
  • Koveta
  • Harona plastika
  • Baka misy rano
  • Fisaoka
  • Aérateur
  • Glacière
  • Kahie fandraisana an-tsoratra

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

70 of 87

IV-NY TSARA HO FANTATRA

FAMOKARANA ZANA-TRONDRO

FITAOVANA ILAINA

  • Harona plastika
  • Fitaovam-pandanjana
  • Koveta
  • Baka misy rano
  • Fisaoka na épuisette
  • Aérateur
  • Glacière
  • Harato

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

71 of 87

IV-NY TSARA HO FANTATRA

FITAOVANA HAFA METY MBOLA ILAINA

FITAOVANA ILAINA

  • Paompy fisitoman-drano na Motopompe
  • Labasy
  • Harato aro vorona

E- NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TRONDRO

72 of 87

F.FAMPATSIAHIVANA

73 of 87

IV-NY TSARA HO FANTATRA

Miankina betsaka amin’ny kalitaon’ny rano ny fahombiazana eo amin’ny fiompiana ka mila rano madio: tsy misy singa simika, lavitry ny fanangonana fako na mety hivaranan’ny fantsona samihafa

Azo iompiana tsara ny rano nosintomina avy @ renirano,matsabory, lava-drano, rano fampiasaina ao an-tokantrano

KALITAO RANO

F- FAMPATSIAHIVANA

74 of 87

IV-NY TSARA HO FANTATRA

HAFANAN’NY RANO

  • Maripana « Température » : afaka miaina [07 – 42°C], afaka mitombo eo anelanelan’ny [20 - 32°C] ny trondro

Ny tena tsara dia rano manodidina ny 28°C,

F- FAMPATSIAHIVANA

75 of 87

NY OKSIZENA

  • Mitana anjara toerana lehibe ny OKSIZENA levona ao anaty rano
  • Misy fifandraisany be dia be eo amin’ny tahan’ny oksizena levona anaty rano ny zavatra hafa , indrindra ny :

Fanirin’ny zavamaniry tsy hita maso :be loatra na tsy

misy mihitsy.

Toetr’andro: rehefa manaloka ny andro

Fotoanan’ny andro vao maraina be

Hafanana ambony / ny tsy fitovian’ny hafanàn’ny rano ao anaty dobo.

F- FAMPATSIAHIVANA

76 of 87

IV-NY TSARA HO FANTATRA

Hasiakan’ny rano

F- FAMPATSIAHIVANA

  • Raha asidra loatra ny rano dia tsy hitombo velively ny trondro ary ho ambony ny tahapahafatesan’izy ireo
  • Ny hasikan’ny rano dia ary miovaova mandritra ny andro ka ambany io ny maraina be iny ka mety ahatratra ho pH = 4 raha maloto ny rano na be loatra ny trondro ao
  • Ny hasiaka mety amin’ny trondro dia 6,5 – 8,5

77 of 87

IV-NY TSARA HO FANTATRA

NY FANOMEZANA SAKAFO

F- FAMPATSIAHIVANA

  • Ny fanomezana sakafo dia atao amin’ny lera mitovy mba ahazatra ny trondro
  • In-3 – in 5 misakafo ny trondro araky ny fahefan’ny mpiompy sy ny fahazotoan’ireo trondro ihany koa

78 of 87

HAKITROKA

F- FAMPATSIAHIVANA

FIOMPIANA EXTENSIF

  • Tsy manome sakafo
  • Sakafo natoraly ao anaty rano vokatry ny fanamasahana ny dobo no hohanin’ireo trondro

EXTENSIF AMELIORE SY SEMI-INTENSIF

  • Sakafo natoraly azo avy amin’ny fanamasahana ny DOBO
  • Manome sakafo voavoatra sy tsara kalitao « Provandy »
  • Mampiasa akora mpanamasaka
  • Manolo amin’ny ampahany ny rano raha ilaina
  • Tsy mampiasa rivotra (aération)

FIOMPIANA INTENSIF

  • Manome sakafo tsara kalitao (Provandy) tsara kalitao sady ampy
  • Mampiasa aérateur (mila mampiasa angovo na herinaratra)
  • Mila fanaraha-maso entitra sy akaiky isan’andro (indrindra ny kalitaon’ny rano)

HAKITROKA SY NY KARAZANA FIOMPIANA

79 of 87

  • Fiompiana « extensif » : 1 - 2/m²
  • Fiompiana « extensif amélioré » : 3 - 4/m²
  • Fiompiana « semi-intensif » : 5 - 7/m²
  • Fiompiana « intensif » : 10 - 12/m² na 50 - 100/m3

MARIHINA FA NY HAKITROKA « DENSITE » SY NY SAKAFO OMENA NY TRONDRO NO ANISAN’NY MAHASAMIHAFA IREO ANKOATRA NY TEKNIKA MADINIKA FIOMPIANA AZY

F- FAMPATSIAHIVANA

HAKITROKA SY NY KARAZANA FIOMPIANA

80 of 87

TEKNIKA FANDROTSAHANA ZANA-TRONDRO

F- FAMPATSIAHIVANA

Tsara omena fotoana 10 - 15 mn

81 of 87

FISAFIDIANANA NY TILAPIA OMPIANA

KARAZANY

Tombotsoa

Lesoka

Tilapia nilotica

(Oreochromis niloticus)

  • Haingam-pitombo (indrindra raha lahiny ihany no ompiana)
  • Tsy mora andairan’aretina
  • Afaka miaina amin’ny rano manana tahan-tsira hatramin’ny 15%o
  • Mahatratra hatramin’ny 04 na 05 kg ny lanjan’ny lahy iray ***

- Tsy mahazaka ranomasina

Tilapia mossambica

(Oreochromis mossambicus)

  • Mahazaka hasiran’ny rano hatramin’ny 40%o
  • Fiompiana indrindra ho an’ireo eny amoron-tsiraka
  • Ahazoana zanany maro

- Somary miadam-pitombo raha oharina amin’ny Tilapia nilotica

Tilapia zillii

(Coptodon zillii)

TANDREMO

*** Efa fiompiana mihoatra ny roa (02) taona

F- FAMPATSIAHIVANA

82 of 87

FANARAHA-MASO NY FIOMPIANA

  • Mila fanaraha-maso ny fiompiana trondro ary mila fikarakarana

Ohatra : Ny fiskafoanany, ny fahasalamany

  • Eo ihany koa ny fijerena sy fanarahana akaiky ny kalitaon’ny rano

Ohatra : Hateviny lomotra→Disque de Secchi

Hafanany rano →Thermomètre

Oksizena → Oxymètre

pH →pH-mètre

F- FAMPATSIAHIVANA

83 of 87

Fanamboarana Disque de Secchi

FOMBA AZO ATAO RAHA HANITSY NY KALITAON’NY RANO

HALALIN’NY NANDATSAHANA NY “DISQUE DE SECCHI”

NY TOKONY HATAO

Latsaky ny 20 cm

Manolo rano amin’ny ampahany.

Mihoatra ny 45 cm

Manampy zezika.

F- FAMPATSIAHIVANA

84 of 87

« ECHANTILLONNAGE »

FANARAHAMASO NY FITOMBON’NY TRONDRO

Azo adika tsotra hoe, atao ny « échantillonnage » : rehefa hijery ny fitombon’ny trondro ompiana (resaka lanja)

Azo araraotina mandritra izany ihany koa anefa ny fijerena @ endrika ivelany ny toebatan’ireo trondro : « état de santé »

OHATRA FIKAJIANA NY FITOMBON’NY LANJANY

Fitombony = Salan-danja farany - Salan-danja teo aloha (Gain = Pm final – Pm initial)

Salan-danja = Lanjany : Isany (Pm = Biomasse totale : Effectif total)

Isan’ ny trondro = 50

Lanjan’izy rehatra = 5000g

Salan-danja = 5000 : 50 = 100g

Ohatra raha 75g ny salan-danja teo aloha

Fitombony = 100g - 75g ⇒ 25g ny fitombony

F- FAMPATSIAHIVANA

85 of 87

Azo zaraina ho roa (02) lehibe ny FIOTAZANA

  • Fiotazana amin’ny ampahany (Récolte PARTIELLE) : ahena ny haavon’ny rano, mampiasa harato (Azo afindra dobo hafa, azo amidy avy hatrany, azo anomanana ny Renitrondro)
  • Fiotazana tanteraka (Récolte TOTALE) : ritina miandalana ny dobo no sady mioty ny vokatra (azo amidy avy hatrany, azo anomanana ny Renitrondro)

F- FAMPATSIAHIVANA

FIOTAZANA

86 of 87

OHATRA

Faharetan’ny fiompiana : 6 volana

Velaran’ny dobo :100m²

Hakitroka : 5 zana-trondro/m²

Taham-pahavelomany : 80 isan-jato

Salan-danja amin’ny fotoam-piotazana : 350 g

Taham-panodinana sakafo ho lasa nofo (Indice de Conversion) : 1.75

Mombamomba ny famokarana

 

Vidiny iray (Ar)

Totalim-bidy (Ar)

Zana-trondro (isa)

500 isa

500

250 000 (1)

Lanjany trondro rehetra

140kg

15 000

2 100 000 (2)

Lanjan’ny sakafo lany

245kg

3 500

857 500 (3)

TOMBONY = (2) _ [(3) + (1)] = 992 500 Ar

Raha manana dobo 05 : Tombony = 992 500 Ar * 5 = 4 962 500 Ar

F- FAMPATSIAHIVANA

VINAVINAM-PAMOKARANA

87 of 87

Mahavelo- bevata

Misaotra nihaino