Fifaninanana lahatsoratra
Ahazoanao hatramin'ny 200 000 Ar isam-bolana, manomboka ny volana novambra.
I - Asandrato anaty hehy sy vanitika ny teny malagasy!
Ny tranonkala Vaovao Farany dia tranonkala amin'ny teny malagasy ranoray, anatin'ny sokajy saritika, natao hampieritreritra, handrangitra na hiomehezana :
- manamaivana zavatra tokony hanan-danja
- mandinika zavatra tsy misy dikany
- mampitovy zavatra tsy tokony ampitahàna
- parôdia

Ny tanjona kely tianay hotratrarina dia mba hampieritreritra ny olona (tsy amin'ny fandraisana an-tendrony fa amin'ny famakafakàna lalina). Ny tanjona tena goavana kosa dia ny mba hanoratan'ny malagasy TENY MALAGASY bebe kokoa, te hanavotra ny TENY MALAGASY izahay.

Tsy sanatria hanao fanagasiana be fahatany kosa aloha fa avela ho teny vahiny izay tokony hijanona teny vahiny. Tsy misy bedy.

II - Ny fifaninanana sy ny loka
Maro dia maro tokoa ny lahatsoratra avy amin'ny mpitsidika ny tranonkala Vaovao Farany, tsy nangatahana tambiny fa nomena tam-pitiavana, hatreto dia 95%-n'ny lahatsoratra hita ao amin'ny tranonkala no avy aminareo, ny ankamaroany dia tena manapa-tsinay gaigy be. Misaotra betsaka ireo izay nanoratra izy ireny!

Toa tia tena ihany anefa izahay raha tsy mba hametraka kely, misy dokam-barotra mantsy ny tranonkalantsika, ka indro valibabena kely mba takatray : fifaninanana! Atolotra am-pitiavana.

Isam-bolana, manomboka ny volana novambra, izahay dia hizara 200 000 Ar ho an'ireo izay mandefa lahatsoratra be mpamaky sy be mpizara indrindra:
-- Ny lahatsoratra voalohany ahazoana 100 000 Ar
-- Ny faharoa hahazo 60 000 Ar
-- Ny fahatelo koa 40 000 Ar

III - Fitsipi-dalao : vakio milamina tsara
1- Anara-petaka sy numerao ahafahana mandefa ny loka no anoratana anarana. Tsy mifanotany zavatra ankoatr'izay isika, hajaina 100% ny tsiambaratelo;

2- Lahatsoratra vokatry ny aingam-panahy tsy hita amina tranonkala hafa no alefa. Tsy raisina ireo lahatsoratra matotra loatra, raisina kosa anefa ireo lahatsoratra mody matotra;

3- Tsy azo alefa amin'ny tranonkala hafa ny lahatsoratra ampiasaina amin'ny fifaninanana. Raha misy migafy, tokony teto amin'ny Vaovao Farany no niseho voalohany ilay lahatsoratra;

4- Ireo lahatsoratra "matsiro", mety hahaliana olona maro, tsy misy tsipelina diso ihany no avoakanay ao anaty tranonkala. Rehefa mivoaka ao anaty tranonkala ny lahatsoratra iray dia midika hoe nekena ny fandraisany anjara;

5- Manaiky ireo mpandray anjara fa afaka manao fanovàna kely amin'ny lohateny sy ny lahatsoratra ny tompon'andraikitra raha misy afaka hanatsaràna azy;

6- Tsy misy fetra ny isan'ny lahatsoratra azon'ny mpandray anjara iray alefa;

7- Tsy azo angatahina fanovàna, fanitsiana na famafàna ny lahatsoratra efa lasa;

8- Ny lahatsoratra efa nahazoana loka dia tsy ahafahana mahazo loka intsony, raha izany no miseho dia izay manarakaraka azy no maka ny toerany;

9- Mety ho mpanoratra iray no hahazo ny loka roa na telo voalohany;

10- Azo atao ny fomba rehetra hanapariahana ny lahatsoratra (comptes Facebook, groupes, pages, etc.) mba hampitombo ny mpamaky sy ny mpizara azy.

IV - Fikajiana ny antontan'isa : vakio milamina tsara
Toa izao no fikajiana ny antontan'isa :

X = Ny laharana hita ao amin'ny tranonkala, eo amin'ny toerana ahitana ny lahatsoratra malaza (ankavanana). Izay miseho eo ihany no hisafidianana izay handresy.
Y = Isan'ny zara natao tao amin'ny Facebook (nombre de partages), hita eo ambanin'ny lahatsoratra tsirairay

Z = Y / X

Izay telo mahazo ny salan'isa Z be indrindra no mandresy.

Ohatra :
X = 3 (fahatelo)
Y = 3450 (isan'ny partages Facebook)
Z = 3450 / 3 = 1150

V - Fanambaràna ireo lahatsoratra nandresy
Isaky ny voalohan'ny volana no jerena sy ambara eo amin'ny pejy Facebook ireo lahatsoratra nandresy sy ny antontan'isa azony : https://web.facebook.com/Vaovao-farany-1513453918897810/
Ny faha-25-n'io volana io ihany no alefa ny loka, amin'ny alalan'ny Orange Money, Airtel Money na mVola :

-- Ny voalohany dia hahazo 100 000 Ar
-- Ny faharoa hahazo 60 000 Ar
-- Ny fahatelo, 40 000 Ar

Handray anjara ianao ?
Adikao eto ambany ny hoe : Eny, fa inona indray ary no alehako ato raha tsy izany?
Your answer
Tsindrio àry ny bokotra "Suivant"
Next
Never submit passwords through Google Forms.
This content is neither created nor endorsed by Google. Report Abuse - Terms of Service - Additional Terms